Volley-ball – Mada D1 : Zandary telo hiatrika famaranana

Tontosa omaly, teny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja volley-ball, sokajy D1. Ekipa zandary telo tafita no hiatrika ny famaranana dia ny GNVB 1 sy 2 eo amin’ny lehilahy ary ny GNVB 1 eo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny andriambavilanitra, lavon’ny GNVB 1 tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/22 ; 25/23 ; 25/11) ny ASI Itaosy ary ny Squad kosa nanilika ny GNVB 2 tamin’io seta 3 no ho 0 io ihany koa (25/22 ; 25/23 ; 25/12). Hifandona eo amin’ny famaranana izany ny Squad sy ny GNVB 2. Teo amin’ny lehilahy, ny GNVB 1 nampiondrika ny Cosfa 2, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/16 ; 25/22 ; 25/16) ary ny GNVB 2 nandresy ny ASI 1, seta 3 no ho 0 (25/20 ; 25/214 ; 28/26). Teo amin’ny seta fahatelo vao tena nanohitra ny mpila­laon’Itaosy saingy nanatombo teo amin’ny traikefa ry Mami­zara sy ny namany. Adin’ny samy zandary izany ny famaranana ho an’ny lehilahy. Marihina fa ekipan’Anala­man­ga avokoa ireo hiatrika ny famaranana ireo. Hotante­rahina anio, etsy Ankoron­dra­no hatrany ny lalao.

Tompondaka

Partager sur: