Can 2027, U23: Hitsapa ny ekipan’i Moramanga ny Barea

«Miomana hatrany! » Hiatrika la­lao fitsapana amin’ny ekipa voafantin’i Mora­manga, ny alahady ho avy izao, any an-toerana, ny ekipam-pirenena Barea, sokajy U23. Fihaonana tafiditra amin’ny fanomanana ny fifanintsanana Can U23 2027. Marihina fa ny voalohan’ny volana novambra ho avy izao no hihaona amin’i Afrika Atsimo i Madagasikara, mandritra ny dingana faharoa. Mpilalao miisa 27 no mandrafitra ny ekipam-pirenena. Misy amin’izy ireo no efa niatrika ny fifaninanana afrikanina. Ao anatin’izany i Cristiano sy Ta­hina, lohalaharan’ny CFFA, tompondakan’i Madagasikara. Tazana ao ihany koa ry Ismael sy Pito, mpilalaon’ny FC Rouge.

Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, misy mpilaravinahitra hafarana rehefa akaiky ny fotoana hikatrohana amin-dry zareo Afrikanina Ta­tsimo, anisan’izany i Massy, lohalaharana ao Seychelles. Hisy koa ireo avy any Eoropa saingy tsy mbola voafaritra mazava ny anarany. Ampa­hafantarina fa efa tonga nijery sy nanara-maso ny fizotry ny fanazarantena tao Mahama­sina, omaly, ireo teknisianina roa dia i Boualem Mankour, alzerianina sy i Johan Paul, kapitenin’ny Barea teo aloha.

Fitia Randria

Partager sur: