Nanao tatitra ny asa vitan’ny governemanta ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, omaly. Niaiky ny tenany fa betsaka ny ezaka sy ny dingana mbola hatao.
«Tsy mbola voavaha tanteraka ny olana », hoy izy. Notsiahiviny fa anisan’ny iraka nampanaovina azy ireo ny hamahana ny filana maika, ny fiatrehana ny loza voajanahary ary ny olan’ny jro sy ny rano. Notanisainy fa efa tafapetraka ny fanampiana ny herinaratra na tsy mbola mivaha tanteraka aza. Natsangana ny fotodrafitrasa ho an’ny rano ary efa nihatsara ny fahazoana izany.
Momba ny fanabeazana sy ny fahasalamana, nambarany fa efa misy ny ezaka ho amin’ny fampitaovana sy ny tambiny samihafa ho an’ireo mpiasam-panjakana. Ny fampidirana ho mpiasa raikitra azy ireny.
Nanteriny fa anisan’ny vinan’ny filoham-panjakana ny fitakiana asa mivaingana sy ny fijerena ny tombontsoan’ny Malagasy. Eo koa ny fanomezana andraikitra ho an’ny tanora ary ny fametrahana Repoblika matanjaka sy mangarahara. « Ilaina ny fahitsiana sy ny fahasahiana ary fanadiovana ny fomba fiasa », hoy izy.
Niaiky ny praiminisitra fa tsy mbola voavaha ny kolikoly ka niantsoana ny tanora izany. Nanentanany ny mpiasam-bahoaka izany fa efa nasondrotra ny tambiny ho azy ireo na tsy ampy aza. Ovay ny famindra ary tokony hanomboka amin’ny mpitondra izany.
Fanavaozana ny fomba fiasa
Hohamaivanina ireo dingana samihafa tsy hampitarazoka eny amin’ny fitantanan-draharaha. « Tsy tokony hiandriandry na hitarazoka. Ilaina ny fanavaozana ny fomba fiasa ary tsy ananana antra ny mpanao kolikoly », hoy ihany izy.
Natsidiny fa efa manomana ny fifidianana izao ary efa an-dalana koa ny fikaonandoha nefa koa atrehina ireo olana. Momba ny fandriampahalemana kosa, nambarany fa efa nampitomboina ny isan-tsehatra sy ny fampitaovana.
Nambarany fa efa manomboka miova ny fiaraha-miasa amin’ireo mpamatsy vola manoloana ny fomba fiasan’ny fitondram-panjakana. “Notakina ny fomba hanafainganana ny famoaham-bola ahafahana manao fotodrafitrasa…”, hoy izy.
Synèse R.





