Kibo mitsara tena

 

Nangatahin’ny filohan’ny Antenimierampirenena tamin’­ny fanombohana ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo farany teo ny hanafainganan’ny fahefana mpanatanteraka ny fampidinana ny vidim-piainana. Aiza ho aiza? Anisan’ny notakina tamin’ny fidinana an-dalambe tamin’ny taon-dasa izay. Miara-dalana amin’izany ny amin’ny famoronana asa. Ny amin’izay vidim-piainana, saika fiteny mandrakariva ny hoe tsy misy vidim-piaianana midina izany. Lanja miakatra hatrany ny fiainana. Araka izany, tsy ny famoronana asa sy ny fampitomboana ny famokarana ve no tokony himasoana sy hatao vaindohan-draharaha? Tsy lavina, efa misy ny ezaka ataon’ny fitondrana Fanavaozana amin’ny fanohanana ny tanora amin’ny famoronana asa, fananganana orinasa… Saingy tsy mbola tena miroborobo araka ny filana?
Na ahoana na ahoana, tsy vitan’ny fitondram-panjakana irery ny hoe fampidinana vidim-piainana, famoronana asa… Miankina be dia be amin’ny olom-pirenena izany? Mila sy itakiana fanavaozana ihany koa… Tsy inona fa fialana amin’ny toe-tsaina tia kely, manararaotra, manambaka ny hafa, malain-kisahirana… Ireo no anisan’ny fositra amin’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy amin’ny antony. Eo koa ny tsy fahatokisan-tena sy ny tsy fananana fahasahiana amin’ny famoronana asa: miandry sy manantena hiasa amin’ny hafa, malaky mionona amin’izay kely misy na azo, tsy mifanome tanana fa samy maka ho azy. Mila fanavaozana sy fiovam-penitra mahery vaika? Eo indrindra izao…
Tsy iandrasana ny hafa, indrindra ny fitondram-panjakana, ny hoe fanavaozana: ny tsirairay no mila mihavao sy manavao araka izay mety ho vitany eo amin’izay misy azy. Mby aiza? Kibo mitsara tena amin’izay mety ho vita sy azo atao, fa ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy.

R. Nd.

Partager sur: