FANTINA sy FINTINA

Hatao amin’ireo fokontany miisa 19 400 ny fakan-kevitra iarahana amin’ny FFKM. Hiroso amin’ny fampiofanana santatra eny ifotony ny fiangonana sy ny komity teknika mikarakara ny fikaonandoham-pirenena manomboka anio. « Sehatry ny fitadiavana vahaolana ny fikaonandoha fa tsy natao hifandonana », hoy ny filohan’ny FFKM.
Tena nisy ny fizarana vola nanentanana olona nanao fanakorontanana, araka ny fanamafisan’ny Tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, ny herinandro teo, momba ny raharaha fanenjehana ny depiote sady minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Tsiahivina fa voasazy dimy taona an-tranomaizina ny tenany, araka ny didy.
Raikitra ny hetsika antsoina hoe « Merci Capsat », ny 11 oktobra izao. Nambaran’ny mpitarika, Rahajasoa Jean Richard, fa tsangambaton’ny tolona amin’izany ny Repoblika fahadimy, ankasitrahana ireo miaramila. « Miainga amin’ny fikaonandoham-pirenena ny vato amin’izany. Hotsaroana koa ireo namoy ny ainy… Tsy mila seza izahay », hoy izy.
Vonona hiditra anaty governemanta ireo tanora Gen Z, ahitana an’i Mikolo, araka ny fanambaran’izy ireo ny herinandro teo. « Maro ireo tanora manana traikefa sy fahaizana hitondra anjara biriky ka vonona hitondra izany ho amin’ny fampandrosoana ny firenena izahay », hoy izy ireo.

Partager sur: