Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ ny sokajy N1A ny GNBC ho an’ny vehivavy ary ny CosPN kosa teo amin’ny lehilahy. Raha hiverenana ny vokatra, resin’ny zandary tamin’ny isa 47 no ho 42 ny JEA Vakinankaratra. Niady ny lalaon’ny roa tonta satria nifandimbiasana ny nitarika ny isa teo amin’ireo tapa-potoana efatra. Lasan’ ny GNBC ny tamin’ny isa 14 no ho 9 ny 10 mn voalohany. Mbola azon’izy ireo ihany koa ny faharoa izay niafara tamin’ ny isa 25 no ho 21. Ny GNBC izay nahitana an’i Rasoa sy i Nante. Niezaka nanafaingana ny lalao ny mpilalaon’ny Vakinankaratra notarihin’i Jessica, saingy mbola nipetraka ny fahaiza-manao sy fahaiza-miaraka teo amin’ny zandary. Na izany aza, nifanakaiky ny isa teny amin’ny solaitrabe, 33 no ho 30. Nafana tanteraka ny tapa-potoana fahefatra satria nihoaran’ny JEA, 39 no ho 37. Vetivety ihany izany fa nihoaran’ny zandary indray avy eo izay tsy nijanona raha tsy tany amin’ny fandresena. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Nante, mpilalaon’ny zandary.
Teo amin’ny lehilahy, tsy mbola niala teo am-pelantanan’ny CosPN ny anaram-boninahitra rehefa nandresy ny RBC Boeny, tamin’ny isa 74 no ho 66. Mbola nipetraka hatrany teto ny traikefan-dry Livio sy i Arnol niampy an’i Anthony, izay samy mpilalaon’ny Ankoay avokoa. Nitarika hatrany izy ireo teo amin’ireo ampahefa-potoana rehetra. 34 no ho 30 ny isa teo am-pialantsasatra. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Anthony. Samy nahazo lelavola 4,5 tapitrisa Ar moa ny GNBC, vehivavy sy ny CosPN, lehilahy.
Tompondaka





