Trano 18 tafo kila hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Lavanono, Ankijaba, kaominina Fanambana, distrikan’i Vohemar, afakomaly. Niainga tamin’ny fipoahana vatoharatra tao amin’ny tokantrano iray ny afo. Potika avokoa ny entana tao amin’ireo tokantrano lasibatra.
Mpandeha iray namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny fokontany Nierenena Brickaville, afakomaly. Nandeha mafy ilay taksiborosy kanjo nisy kamiao tampoka teo alohany. Niafara tamin’ny fivoahana ny lalana izany ka nivadika.
Nisitraka moto miisa roa ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Antsirabe ary moto telo ho an’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Faratsiho, afakomaly. Hanampy azy ireo amin’ny fanatontosana ny asa andavanandro ireo fampitaovana ireo. Nanome izany ny solombavambahoaka voafidy tao an-toerana sy ny lehiben’ny Distrika.
Olona efatra nahatrarana rongony 110 kg tao Mahajanga, naiditra am-ponja, ny faran’ny herinandro teo. Mpanaparitaka io karazan-java-mahadomelina io ireo olona ireo. Ankoatra io, olona efatra hafa tratra noho ny resaka fanendahana sy hala-boty.





