«Makua Festival» andiany faharoa: hampiakarana ny lazan’i Toamasina sy ny mozika

Fiverenana avy naka bahana. Vonona amin’ny hetsika goavana faharoa ry Shyn sy Denise ary ireo mpanakanto maro izay ho vahininy amin’ity, MAKUA FESTIVAL andian’ny faharoa.

Hotontosaina ny 29 oktobra hatramin’ny 1 no­vambra izao ny « Ma­kua Festival » any Toama­sina. Azo lazaina ho fiverenan’ny hetsika ity andiany faharoa ity, satria tsy nisy tamin’ny taon-dasa noho ny fandalo­van’ny rivodoza. Hamafana indrindra izany fahatsiarovana ratsy izany no tanjona voa­lohany ka hampiakarana ny laza tsaran’i Toamasina indray. « Sady sehatra ho an’ny Malagasy mpanakanto ny Makua Fes­tival. Ao ireo namana efa malaza, fa indrindra koa ireo mpanakanto avy any Atsina­na­na », hoy i Shyn nandritra ny fampahafantarana tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar, omaly.
Ny « carnaval » no hanokatra ny hetsika, ny 29 oktobra. Hihazo ny Jet d’eau Toamasina 501, izay toerana fanaovana hetsika goavana, satria, mahazaka olona hatramin’ny 30 000 isa. Tarika tsy latsaky ny 10 no hifandimby an-tsehatra manamboka ny 30 oktobra.  Tarika Rossy, Dadi Love, Maman Tsololo, Joyce Mena Makua, sns, no hanafana izany. « Ovaina amin’ity ilay fahazarana hoe miandry ny farany vao misy mpanakanto goavana », hoy i Shyn. Ankoatra azy mivady izay sady mpikarakara no mpanakanto handray anjara, mbola eo koa ry Big Mj, Liko Kininike, Nate Tex, Kaiamba Tena izy, mpanao vakodrazana, sns. Manampy ireo ny mpikosoka kapila matihanina malaza ao Toamasina. « Tsy voatsinjo loatra ny ankizy sy ny tanora tamin’ny andiany voalohany, kanefa fetim-pianakaviana no tanjona. Natao ho azy ireo ny fotoana manomboka amin’ny 12 ora hatramin’ny 6 ora hariva. Misy toerana azo hilalaovana sy fanentanana isan-karazany ao », hoy hatrany izy nanazava.
Samy masoivohon’ny Yas Madagascar i Shyn sy Denise. Antony iray hanohanan’izy ireo ny « Makua Festival » izay, ankoatra ny efa fiarahan’ ny Yas amin’ny tetikasa rehetra manome lanja ny zavakanto sy mampifandray ny Mala­gasy. Handraisan’izy ireo anjara be koa ny « carnaval », izay handrisihina ireo mpandray anjara samy hamoaka ny forona mampiavaka azy. Hisy loka maromaro mantsy hozaraina amin’izany.

Zo ny Aina

Partager sur: