Herinandron’ny HAVATSA UPEM: hanasongadinana ireo mpanoratra mpikambana

Hotanterahina ny 27 hatramin’ny 31 oktobra izao, eny amin’ny efitrano Dox Anosy, ny Herinandron’ny Havatsa Upem. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Antom-pisian’izao hetsika izao ny fanasongadinana ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana vaovao. Hisy ihany koa ny fampirantiana ireo mpanoratra taloha sy am-perimpanoratana. Tafiditra anaty fandaharam-potoana, ankoatra izay, ny varotra boky sy fanehoana ireo boky vaovao. Hanomboka ny talata 27 oktobra ny hetsika. Mandritra izany, ny lanonam-panombohana sy ny antsa sy haisoratra an-tsehatra. Hitohy ny alarobia 28 oktobra ny fotoana, izay mbola hanohizana ny antsa sy ny tafa amin’ny mpanoratra am-perimpanoratana. Havoaka manetriketrika amin’io andro io ihany koa ny boky vaovaon’ny mpikambana tsirairay. Zava-dehibe hitranga amin’io alarobia io ny fiarahana amin’ny mpanoratra sy sakaizan’ny Havatsa Upem tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana. Mbola hitohy amin’ny “Alakamisy misampana” natokana ho an’ny Sam­pa­na Ha­vatsa Upem sy ny “Zoma Manavàtsa” hiarahana amin’ny Faribolana Sandratra ary hamoahana ny bokin’izy ireo ny fandaharam-potoana. Ny “Sabotsy mifaly” kosa no hamaranana ny Herinandron’ ny Havatsa Upem, izay hisian’ny kabary sy hankalazana ny faha-50 taona naha mpanoratra an-dRanjatohery Ha­rilala. Araka izany, ho feno tanteraka ny fotoana.

Mi. Raz 

Partager sur: