Sombim-baovao

Navoakan’ny Rugby Afrique tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ireo firenena tafita hiatrika ny lalao Olympika ho an’ny tanora, tanterahina any Dakar, Sénégal. Ny Makis ladies ihany no solontena malagasy, miaraka amin’i Sénégal sy i Kenya ho an’i Afrika. Etats-Unis ho an’i Amerika ary Tchécoslovaquie sy i Espagne ho an’i Eropa. I Chine ho an’i Azia ary i Australie ho an’i Oseania. Ny 1-3 novambra no hanatanterahina ny lalao ao amin’ny Complexe Iba Mar Diop.

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’i Vontovorona, ny fiadiana ny “IHF Trophy”, sokajy “senior”, vehivavy, Nandrombaka ny medaly volamena ry zareo Renioney, izay tsy resy mihitsy nandritra ny fihaonana. Faharoa, nahazo ny volafotsy ny Akio Madagasikara ary fahatelo i Comores.

Nanjakan’ny ekipazy Asacm ny Rallye Tour de Tana, dingana fahefatra nokarakarain’ny klioba ASA Tana, ny 2-4 oktobra lasa teo. Izy ireo avokoa mantsy no nahazo ny toerana voalohany. Nivoaka ho mpan­dresy i Olivier sy i Mahenintsoa, nitondra ny fiara Mitsubishi EVO X. 1 ora 00 mn 25, 2 s ny fe-potoanan’izy ireo. Nanaraka azy i Fred sy A.T, 1 ora 1 mn 23, 8 s ary fahatelo i Tahina sy Fifaliana, 1 ora 03 mn
33, 5 s.

Partager sur: