Tanteraka soa aman-tsara teny amin’ny Kianja Ambohitsaina, ny alahady lasa teo, ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka.
Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny “senior”, lehilahy, ny CBC Cecam Analamanga, nahitana an’i Jacky sy i Olivier ary i Tendry. Lasan’izy telo mirahalahy, araka izany, ny tapakila handehanana any France, hiatrehana ny “Tournoi estival 2027”. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 5, ny PAC Ampitatafika, nahitana an’i Rija sy i Baloty ary i Hery. Tsy niady ny lalao fa nanatombo teo amin’ny lafiny rehetra ny CBC. Tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny Fam, nisy an’i Lalatiana sy i Salima ary i Vatosoa. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 13 no ho 8, ny C2BA, nahitana an’i Angela sy i Tafitasoa ary i Lahatriniaina. Nobatain’ny C2BA ny amboara teo amin’ny “junior”, nahitana an’i Valisoa sy i Feno ary i Flavien. Resin-dry zalahy ny PAC nisy an’i Nantenaina sy i Anjarako ary i Tsiory, tamin’ny isa 13 no ho 7. Adin’ny samy ABC kosa ny “vétérans”. Tompondaka i Solo sy i Hery ary i Marc, rehefa nandresy an’i Anicet sy i Joseph ary i Modeste, tamin’ny isa 13 no ho 4. Iny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara iny koa no namarana ny taom-pilalaovana ho an’ny federasionina (FSBM).
Tompondaka





