Ity vao tena izy! Tonga omaly i Lalatiana. Avy hatrany dia niatrika ny fikarakarana sy ny pitsompitsony rehetra amin’ny seho hotontosainy etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ity mpanakanto ity.
Fotoam-bita tsy nahaleo ny sampona ny tamin’ny taon-dasa. Ity kosa, efa tena raikitra ary efa eto an-tanindrazana i Lalatiana. Vonona tanteraka hihaona amin’ny mpankafy, hanatontosa ilay seho tokana sy lehibe, ny alahady 18 oktobra ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
“Faly foana rehefa mandia ny tany malagasy ny tongotra… Tsy misy mitovy mihitsy ny fampisehoana ataoko, fa fampisehoana feno foana anefa. Ny amin’ity tsy te hitantara be aho, fa nisy fotoana nilazako hoe efa 50 taona aho izao no nandehandeha eny ambony sehatra teny, ka hiarahana manamarika izay…”. Ireo ny ampahan’ny nambaran’i Lalatiana, raha nanontanian’ny mpanao gazety nitsena azy, teny Ivato.
“Niarahantsika niaina ny zava-nisy tamin’ny taon-dasa. Na dia efa niroso lavitra aza ny fanomanana, voatery nofoanana ilay seho tokony nataon’i Lalatiana teny amin’ny CCI. Nandinika izahay, ka samy nampanantena fa hahemotra amin’ity taona ity izany. Tapaka ihany koa fa aleo hatao ao amin’ny Palais des sports ihany, araka ny fangatahan’ny mpankafy. “Tonga izao ilay fotoana”, hoy kosa i Hery Randriamampianina, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny mi’Ritsoka Production, izay mpikarakara.
Seho tokana, hatreto, no anaty fandaharam-potoan’i Lalatiana. Efa fotoana ela nialoha ny fahatongavany no niatrika ny famerenana ireo mpitendry hiaraka an-tsehatra aminy. Mbola hanome ny andinindinin’ny seho tsy ho ela i Lalatiana sy ny mpikarakara.
Zo ny Aina





