Tsingerintaonan’ny filoha Rosianina: sary 41 ampirantiana eny amin’ny “Maison Russe”

Mandritra ny 3 andro, izay efa nanomboka omaly, ny fanamarihana ny tsingerin­taona nahaterahan’ny filoha rosianina, Vladimir Poutine. Ho an’ny eto Madagasikara, fampirantiana sary, sanga­nasa, maneho ireo tranga manan-danja teo amin’ny tantaran’i Rosia sy ny fiainan’ny vahoaka rosianina no hanamarihina izany.
Sary 41 no miranty eny amin’ny “Maison Russe” eny Ampefiloha. Eo ihany koa ny sanganasa mampiseho ny dia nataon’i Youri Gagarine tany ana habakabaka, ireo teny filamatra sovietika malaza, ny sainan’ny fandresena tao Berlin, ny balety rosianina ary ny lalao Olympika natao tany Moscou, ny taona 1980.
Fampivondronana ny va­nim-potoana samihafa izao fampirantiana izao ka ahafahan’ny Malagasy mahafantatra bebe kokoa ny tantaran’ny kolontsaina sy ireo mariky ny maha Rosianina. Ny masoivohom-baovao TASS, miaraka amin’ny « Maison Russe » eto Madagasikara no mikarakara izao fampirantiana ho fanamarihana ny tsingerintaona nahaterahan’ny filoha rosianina izao.

Mi.Raz

Partager sur: