Ao anatin’ny tetikasa Mitsinjo mialoha ny haintany, nokarakaraina ny fanofanana ho an’ireo Warners mba hanamafisana ny fahaiza-manaony momba ny fandraisana andraikitra mialoha. Eo ny mahakasika ny haintany sy ny loza ara-pahasalamana mety hitranga. Mpandray anjara 26 nanatrika ny fanofanana, ka ny 20 tamin’ireo dia Warners avy amin’ny distrikan’Ambovombe sy Amboasary Atsimo ary avy amin’ny kaominina Isaka Ivondro, niaraka tamin’ireo solontenan’ny BNGRC sy ny Croix Rouge Malagasy.
Hikaondoha ny mpikambana ao amin’ny biraon’ny filankevitry ny Holafitry ny farmasianina. Antony, famolavolana ny tetiandro filaharan’ny fiandrasan-draharaha (calendrier de tours de garde), izay hanomboka ny 21 novambra 2026. Tanjona ny hahafantaran’ny vahoakan’Antananarivo ny ora tsy fisokafan’ny farmasia.
Manomboka ny tetikasa fanombohana sy fampiasana ny fitaovana sy ny karatra niomerika amin’ ny fandoavana haban-tsena ho an’ireo mpivarotra ara-dalàna. Natao hanisana mazava ireo mpivarotra ara-dalàna sy hanatsarana ny fomba fitantanana mangarahara ary hanamafisana ny ady amin’ny kolikoly izany.





