Jly Razafitombo Maminirina Ely: « Tsy vitan’ny mitaky ihany ny fanavaozana… »

« Hampahafantarina ny tanora fa tsy vitan’ny mitaky ihany ny fanaovana fa mila fihavaozana ihany koa. Rehefa mitaky dia miara-mitolona. Inona no zavatra nataonao tao anatin’ny fitolomana », hoy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Maminirina Ely, nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny komity mpanomana ny taom-pahatsiarovana ny tolom-panafahana 29 marsa 1947, teny Ampahibe, omaly. Hankalazaina amin’ny taona ho avy io ny faha-80 taona, fahatsiarovana ny tolom-panafahana sy nanehoan’ireo mpiady Tia Tanindrazana ny fitiavan-tanindrazana. Fanomanana ny hetsika rehetra mandritra ny fankalazana no anton’ny fikaonandoha nataon’ireo komity mikarakara ny hetsika. Nomarihin’ny MFA hatrany fa hamelomana indray ny afon’ny fitiavan-tanindrazana izao. « Kihon-dalana no iainantsika amin’izao fanavaozana izao. Inona ilay fanavaozana tiantsika hapetraka ho an’ny vahoaka sy ny taranaka any aoriana », hoy izy. Nambarany fa hamelona indray ny firaisam-pirenena izao fahatsiarovana izao satria nisy ra latsaka tao, mariky ny fitiavan-tanindrazana nasehon’ireo Malagasy tsy nanaiky ny fanjanahan’ireo mpanjanaka. Mila ampahafantarina ny taranaka ny fitiavan-tanindrazana. Nisy hetsika nataon’ny tanora herintaona lasa izay mampiseho fa mila fanavaozana i Madagasikara. Izany no antony nananganana ny komity nasionaly hanomana ity hetsika taom-pahatsiarovana ity.

Jean Claude

Partager sur: