Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr Rajaonson Hugues. Aminy, mitaky fandraisan’andraikitry ny fanjakana ny fanodinana ny vokatra amin’ny alalan’ny agro-indostria.
Nahavita fikarohana
lalina ny Dr Rajaonson Hugues, mpampianatra mpikaroka, manam-pahaizana manokana amin’ny toekarena ara-tontolo iainana. Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena ary manohy mandroso vahaolana hatrany. Mifantoka amin’ny tombana ny indostria eto Madagasikara ny fikarohana nataony, mahakasika seha-pihariana miisa dimy. Akora fototra lehibe afaka mitondra fampandrosoana ny katsaka. Azo ahodina ho angovo «bioéthanol», biogazy, vokatra ara-tsakafo, vokatra ho an’ny tarehy sy ny vatana, ahodina ho lamba, sns izy io. Tsy ampy ho an’ny indostria maoderina anefa ny vokatra eto Madagasikara. Faharoa, azo ahodina ho «amidon» ny mangahazo, lafarinina avo lenta «FMHQ), tapioca, solika (bio-carburant), sakafom-biby, lakaoly, indostria fanafody, sns. Ampahany kely amin’ny mangahazo ihany anefa no voahodina. Fahatelo, ny vary, tsy mbola tafiditra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara, satria ny fanjifana eto an-toerana aza tsy ampy. Fahefatra, ny orge, akora ilaina amin’ny fanamboarana labiera. Ankehitriny, mihena ny vokatra ambolen’ny tantsaha satria nisondrotra ny hetra, ka nahenan’ny orinasa, mampiasa azy, ny vokatra orge nofandrihana amin’ny mpamokatra. Fahadimy, voafetra ny famokaran’
ny tantsaha ny « haricot vert », satria mihena ny fatra haondran’ny mpamokatra malagasy, noho ny tsy fisian’ny fandrindrana nasionaly.
Lesona i Mozambika
Manoloana ireo, vahaolana aroson’ny Dr Rajaonson Hugues ny, « tsy maintsy hentitra ny fanjakana, mampiasa ny fitaovany eo am-pelantanany, mametraka politika marolafy ». Lesona lehibe ho an’i Madagasikara ny nataon’i Mozambika. Miaro ny fananan’ny mpamokatra eny ambanivohitra, ny fananan-tany, manangana ivontoerana niomerika momba ny tsena. Teo koa ny fahasalamana, ny fiadiana amin’ny aretina mpahazo ny biby, ny fanapariahana ny vaovao ara-pambolena ary hamoraina ny fampindramam-bola ho an’ny fambolena, sns.
Njaka Andriantefiarinesy





