Paositra malagasy: mampifandray an’izao tontolo izao

Mivoatra manaraka ny toetrandro ny paositra malagasy. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny paositra, tetsy Analakely, omaly. Manana anjara toerana lehibe sy mampifandray olona, fianakaviana sy fiarahamonina ary firenena izy. Maro samihafa ny tolotra ataon’ity tambajotra izay mankalaza ny faha-32 taonany ity, noho izy manamora ny fifanakalozana eto amin’ny firenena sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mampifandray olona sy manatsara ny tolotra omeny ny paositra malagasy na eo aza ny fiovana niomerika amin’izao. Antony nanaovana ny teny filamatra hoe « Paositra malagasy, mivoatra ho anao ». Ma­no­didina ny 200 ny masoivoho miparitaka manerana ny Nosy, izay mampifandray firenena mahatratra hatrany amin’ny 192. Manavao sy manakaiky ny mpanjifa hatrany izy ka hahafahana mandefa sy mandray entana, manafatra sy manondrana ary mandefa vola na aiza na aiza misy ny mpanjifa. Marihina fa lohahevitra noraisina tamin’ity taona ity ny hoe « tambajotra postaly tokana, hirika tsy voatanisa ». Fo­toana iray nampahafantarana ny andraikitra sy ny vina apetraky ny paositra malagasy.

Henintsoa

Partager sur: