Sombim-baovao

Araka ny vaovao voaray, avy eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny Rugby, omaly, hanainga rahampitso hariva, eto an-tanindrazana, hihazo an’i Tunisie, ny delegasionina malagasin’ny Makis Ladies, sokajy zandriny. Hiatrika fifanintsanana mandritra ny herinandro any an-toerana izy ireo, hanomanana ny lalao Olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026).
Efa mandeha any amin’ny tambajotran-tserasera, omaly, fa hotazomina isaky ny roa taona ihany ny fifaninanana afrikanina “Can”. Rehefa nanontaniana ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, nilaza izy ireo fa tsy mbola ofisialy izany, saingy nisy tokoa ny fangatahan’ireo Federasionina afrikanina sasany ny hitazomana izany.
Araka ny fikarohana natao omaly, ho voasazy mandritra ny 1 na 6 volana i Cristiano Ronaldo, lohalaharana portiogey, taorian’ny disadisa nisy teo aminy sy ny mpanazatra ny ekipa nasionaly, Jorge Jesus. Tsiahivina fa ny kaomisionina misahana ny fitsipi-pifehezana no hisahana ny sazin’ity kalaza portiogey amin’ny baolina kitra ity. Marihina fa tamin’ny andron’i Cristiano no nahazoan’i Portugal voalohany ny fifaninanana eoropeanina, “Euro 2016”.

Partager sur: