Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Top 6 Mada”, taranja rugby.
Anisan’ny lalao be mpiandry ny fifanandrinana eo amin’ny Cosfa (Bebaoty) sy ny CEA Andranomanalina. Fihaonana fanindroany ho an’ny roa tonta ity. Hanala vela ry zareo Andrano eto ka hangotraka tanteraka ny fifanatrehana. Azo lazaina fa ho toy ny famarananakely ny azy ireo. Ekipa samy manana ny maha izy azy ary ahitana mpilalaon’ny Makis avokoa ny andaniny sy ny ankilany. Ho resy izay ratsy fiomanana sy manao fahadisoana matetika. Heverin’ ny rehetra fa ho mokafohy no hifaranan’ny lalao amin’ity ary mety ho tonga hatrany amin’ny fanalavam-potoana. Ankoatra izay, mbola ady tsy vita ihany koa ny an’ny TFMA (Boaikely manohitra) sy ny FTM Manjakaray. Adin’ny samy kartie ireo, saingy, hatreto aloha nanatombo amin’ny fandresena hatrany ry zareo Manjakaray (Dakar). Hifampitana ihany koa ny USA Ankadifotsy sy ny TFA Anatihazo. Lalao be mpanaraka ihany koa io satria samy tompon’ny teknika sy taktika. Eo koa ny an’ny Uscar sy ny Tam Anosibe. Fihaonan’ ny kartie sy boaty io. Ity no ala vela ho an’Anosibe izay tsy mbola tafavoaka nanoloana ny ekipan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ekipa tompondaka lefitra eto Madagasikara.
Tompondaka





