Beach Volley: firenena 5 hiady ho lohany

Hotanterahina atsy Co­mores, ao amin’ny torapasik’i Itsandra Mojini, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, amin’ny Beach volley na Volley-ball lalaovina ambony fasika, sokajy U18, lahy sy vavy. Fihaonana karakarain’ny kaonfederasiona afrikanina (CAVB), ny 15 ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao. Firenena dimy no hiady ho lohany amin’ity dia i Comores, mpampiantrano, miampy an’i Madagasikara, Seychèlles ary La Réunion. Tsiahivina fa efa nisy andiany voalohany notanterahina teto Madagasikara, ny volana aogositra lasa teo. Nandrombaka ny fandresena teo amin’ny sokajy vehivavy ry zareo renionezy, rehefa nandresy an’i Madagasikara teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 2 no ho 1. I Comores kosa ny teo amin’ny lehilahy, raha i La Réunion ny faharoa. Anisan’ny taranja efa mahazo vahana eto Madagasikara ity Beach volley ity, amin’izao fotoana. An­drasana, araka izany, ny ho firafitry ny Malagasy mpilalao hiatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena ity.

Tompondaka

Partager sur: