Tsy hisy ny dinika politika, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, tany Antsohihy. « Olana sosialy no sedrain’ny Malagasy », hoy izy.
Natomboka omaly, tao an-drenivohitry ny faritra Sofia, ny fankazalana ny faha-68 taona nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. “Fotoana manan-tantara amin’ ny firenena izao, ary olana sosialy no vahana fa tsy olana politika”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lanonam-panokafana.
Nisantarana izany ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notarihin’ny FFKM tao amin’ny Ekar Md Paul Ambalabe. “Fahafahana: Fanavaozana ho an’ny tena Fahaleovantena sy fandrosoana” no lohahevitry ny fankalazana. Nambaran’ny filoha, nadritra izany, fa mila mahaleo tena isika, mila miaina amin’ny volantsika sy ny harentsika isika. Ilaina ny fahaleovantena ara-toekarena mba tsy hiankinan’i Madagasikara amin’ny fanampiana avy any ivelany, fa hahazoany mivelona amin’ny harena sy ny loharanon-karenany manokana.
Manaraka lalàna
“Manaraka lalàna ny tena kristianina, fa izany no lalàna”, hoy ihany izy. Ilaina ny fahatongavan-tsaina amin’ny toe-tsaina tia kolikoly, nefa ny ankamaroan’ny Malagasy mipetraka anaty fotaka sy rano maloto. Ankoatra izany, nankahery ny FFKM amin’ny fanomanana sy fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy. Misy te hanakorontana izany, misy mitady hanao fanambarana, raha ny nambarany. Nambarany fa vonona hanohana sy hanampy tosika amin’ ny vola amin’ny asa sahaniny. Maro ny fitokanana fotodrafitrasa natao, omaly. Nisy ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny lavadrano sy ny trano fidiovana vaovao ho an’ny mponina any an-toerana. Nifarana tamin’ny famorian’olona tao amin’ny kianja manara-penitra izany, halina.
R. Nd.





