14 oktobra 1958 – 14 oktobra 2025 : Roa sosona ny fankalazana ny fetin’ny Fahafahana

Tsiaro roa sosona no nankalazaina tany Antsohihy, omaly. Ny 14 oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny 14 oktobra 2025, nijoroan’ny fitondrana Fanavaozana ny Repoblika.

Kisendrasendra? Ny 15 oktobra 1958, ny ampitson’ny 14 oktobra, no nofoanan’ny fanjakana fran­tsay ny lalàna 6 aogositra (loi d’annexion) nanambara fa zanatany frantsay i Madaga­sikara. Izay no hoe fetin’ny fahafahana ny 14 oktobra 1958, nijoroan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Ny 14 oktobra 2025 koa, taorian’ny hetsi-bahoaka, no namoahan’ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanapahana lah. 10-HCC/D3 fa banga ny toeran’ny filohan’ny Repo­blika sy ny filohan’ny Anteni­mie­randoholona ary tsy afa-manao ny asan’ny filohan’ny Repoblika ny governemanta. Noho izany, nasaina miantoka ny andraikitry ny Filoham-panjakana ny tomponandraiki-miaramila soloin’ny kolonely Randrianirina Mi­chaël tena. Izay koa no ilazana io hoe fe­tin’ny fahafahana, nijoroan’ny fitondrana Fana­vaozana ny Repoblika.
Izay tsiaro roa sosona izay no nankalazaina tany Antso­hihy, Faritra Sofia, niavian’ny filoha Tsiranana Philibert, rain’­ny Fahaleovantena, omaly. Nitarika izany ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nisy ny matso miaramila tao amin’ ny seranam-piaramanidina An­tso­hihy, ka miisa 676 no nandray anjara. Teo koa ny matso sivily, nahitana ny avy amin’ny Faritra 24, ny distrika fito ao Sofia, ny avy amin’ny andrimpanjakana, ny fikambanana… Vahiny manan-kaja mano­kana ny delegasionin’ny parlemantera tchadianina notar­hin’ny filohan’ny Anteni­mie­rampireneny, i Ali Kolotou Tchaïmi. Mialoha izany, na­metraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambaton’ny filoha Tsiranana Philibert, ao Anahidrano, ny filohan’ny Fa­na­vaozana. Teo koa ny fitsidihany ny trano fonenana sy ny fihaonana tamin’ny fianakavian’ny filoha Tsiranana tany an-toerana. Fantatra fa amin’ ny taona ho avy, hankalazaina manerana an’i Mada­gasikara ny 14 oktobra.

R. Nd.

Partager sur: