Fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa tena : Nampahafantarina tany Toamasina ny ho an’ny faritra Atsinanana

Afaka misitraka fisotroan-dronono rehefa tonga ny fahanterany ary nahazo fiahiana ara-pahasalamana rehefa marary ny mpiasa tena sy ny ankohonany manomboka izao.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao Toa­masina ny fanohizana ny fampahafantarana ny tetikasa fanitarana ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa tena sy ny vady aman-janany. Miara-­miasa amin’ny fanatanterahana izany ny teknisianina eo anivon’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananana asa ary ny asam-panjakana sy ny Cnaps ary ny Ombona ara-pahasalamana miaraka amin’ ny Pnud. Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fitondrana fanavaozana amin’ny fanomezan-danja ny maha olona ny minisiteran’ny Asa.
Rehefa tonga ny taonan’ ny fahanteran’ny mpiasa tena, zon’izy ireo feno ny hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy toy ny fisotroan-dronono. Mbola zon’izy ireo ihany koa ny misi­traka fiahiana rehefa tsy salama amin’ny fiatrehana ny asa fivelomany. Tanjon’ny fanitarana ny tetikasa ao amin’ny faritra Atsinanana ny hanomezan-danja ny fahasalaman’ny mpiasa tena sy ny ankoho­nany, ny hampiakarana ny tahan’­ny famokarana ary ny hiantohana ny hoavin’ny mpiasa rehetra.
Ahitana sehatrasa maro ivondronan’ny mpiasa tena ao amin’ny faritra Atsinanana: mpanjono, mpamboly, mpitatitra, mpanao asa tanana, mpanao raharaham-barotra… Nahaliana ny solontenan’ny fikambanana maro tonga nanatrika ny famelabelarana mahakasika izany tetikasa izany. Nanatrika ny hetsika tany Toamasina ny tale jeneralin’ny asa eo anivon’ny minisitera, Ravelomahatratra Rojo­­mampionona.

Vonjy

Partager sur: