Tsy fandriampahalemana : Niharan’ny fanafihana ny mpanao vaksiny

Mpiasan’ny fahasalamana iray ao amin’ny CSB II Maro­vato, distrikan’­Andilamena, no niharan’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny herinandro lasa teo, tamin’ny 6 ora ha­riva. Teny an-dalana hody rehefa avy nanatanteraka ny asa ao anatin’ny hetsika fa­naovam-baksiny VAR/polio sy fanomezana vitamina A tany atsinanana Andranotsara izy no voatafika. Vokatry izany, naratra mafy izy ary efa tsaboina ao amin’ny CHRD II Andila­mena. Araka ny fiza­hana nataon’ny mpitsabo, nahitana fahavakisana ny taolan’ny saokany sy ratra maro hafa ka ilaina ny famindrana azy maika aty Antananarivo hahazoany fitsaboana manokana noho ireo ratra ireo.
Manoloana ny tranga, noraisin’ny fitondrana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka an-tanana ny fikarakarana sy ny fitsaboana rehetra (fanafody, Fita­ra­fana…). Hafindra eny amin’ ny CHUJRA Antananarivo izy, hanohizana ny fitsaboana manokana.
Manameloka tanteraka ny famonoana mpiasan’ny fahasalamana ny fitondram-panjakana. Nanamafy ny sampana misahana ny fanaovam-bak­siny fa ho an’ireo mbola tsy na­ha­vita vaksiny, tokony ha­na­tona ny CSB akaiky azy ny isan-tokantrano hamita ny fatra rehetra manaraka ny tetiandrom-baksiny. Tsy voatery hiandry ny hetsika fanaovam-baksiny manokana.

Vonjy

Partager sur: