Hahazo tohana amin’ny alalan’ny tetikasa « Commerce pour une croissance économique résiliente, inclusive et durable » (Triseg) ireo orinasa madinika sy salantsalany miisa 200 eto Madagasikara. Tanjona ny fahafahan’izy ireo manondrana vokatra sy miditra ny tsena kanadianina sy ny tsena iraisam-pirenena. Haharitra dimy taona (2025-2030) ny tetikasa izay iarahan’ny birao kanadianina misahana ny fanamorana ny varotra (TFO Canada) sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA). Tafiditra ao anatin’ny tantsoroka atao ny fahalalana ny tsena, ny fampiasana ny teknolojia niomerika, ny fahazoana famatsiam-bola. Manampy izany ny fampifandraisana ireo orinasa amin’ny mpividy, kanadianina sy iraisam-pirenena. Hamafisina, araka izany, ny fahafahan’ny orinasa mamaly ny fepetra takin’ny tsena iraisam-pirenena sy ny fahazoana mpiara-miombon’antoka ara-barotra vaovao. « Hanampy sy hampivelatra ny orinasa malagasy ny tetikasa ary omena lanja manokana ny orinasa tantanin’ny vehivavy », hoy ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), Rasamimanana Tiana.
Matanjaka
Ankoatra ny fanitarana ny tsena, tafiditra hanamafy ny fahafahan’ireo orinasa miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ihany koa ny Triseg. Hisy tahirim-bola atokana hanomezana torohevitra ara-teknika, fampiasana loharanom-baovao niomerika. Hamafisina ny fahaiza-manao sy ny famolavolana rafitra fampiasam-bola maharitra. «Mahatoky izahay fa hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Kanada sy Madagasikara ny fiaraha-miasa», hoy kosa ny tale jeneralin’ny TFO Canada, Steve Tipman.
Henintsoa





