Basikety – “Fiba Youth Camp 2026” : Mandray anjara i Nirisoa sy i Christina

Toy ny isan-taona, tanterahina nanomboka omaly ka ha­tramin’ny 18 oktobra ho avy izao, any Abidjan Côte d’Ivoi­re, ny “Fiba Youth Camp 2026” na ny Toby fiofanana ho an’ny tanora latsaky ny 16 taona. Anisan’ny manana so­lontena miatrika izany i Ma­dagasikara, amin’ny alalan’i Hanitriniala Nirisoa sy Rakotozafy Christina. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fampivelarana ny basikety karakarain’ny Fiba Afrique, iarahana amin’ny NBA. Hivondronan’ireo mpilalao manan-talenta sy mahay ary manana ny hoavy mamiratra manerana ny kaontinanta afrikaninany Toby fiofanana ho an’ny tanora. Raha tsiahivina, mpilalao mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena, tamin’ity taona ity, i Nirisoa, mpilalaon’ny Fandrefiala. I Christina kosa ao amin’ny klioba AS St Michel. Hiaraka amin’izy roa vavy, Rabaonomenjanahary Regine, mpanazatra. Efatra ireo manam-pahaizana hisahana ity fiofanana ity. Anisany i Naoufal Uariachi, mpampiofana avy amin’ny Fiba sady talen’ny toby. Eo koa i Joe Touomou, avy amin’ny Dallas Mavericks sy i Isabel Fernandez, avy amin’ny federasiona Espaniola ary i Alfred Aboya, avy amin’ny federation Camerounaise. Tanjona amin’ity “FibaYouth Camp 2026” ity ny hanamafisana ny fototra sy hampitomboana ny fahaiza-manao amin’ny filalaovana basikety.

Tompondaka

Partager sur: