Andrarezin’ny hira malagasy : Omem-boninahitra i Fanovona Jean Gabin (Vaovy)

Fanovona Jean Gabin (Vaovy), mpanakanto andrarezina nitondra avo ny mozika avy any atsimon’ny Nosy. Na­morona ny tarika Vaovy izay nanandratra sy nivoy ny beko. Anisan’ny sanganasa nahafantarana an’i Gabin Vaovy ny “Salakao”. Ankoatra ny maha mpanakanto azy, niady mafy ny tokony hitadiavana vahaolana maharitra ny amin’ny tsy fisian’ny rano any Atsimo izy. Nomarihin’i Colombe, filoha mpanorina ny ONG Soa sairy fa “nandritra ny 16 taona no nitoloman’i Fanovona Jean Gabin tamin’izany”.
Ho fanomezam-boninahitra sy fankasitrahana ireo ezaka re­hetra nataon’ity mpanakanto ity, ho marolafy ireo hetsika hatao. Hanomboka amin’ny tolo-tanana hoenti-miainga (levée de fonds), ny 31 oktobra tontolo andro, etsy amin’ny CCI Ivato, izay hafanaina mpanakanto maro izany. Ny vola ho azo amin’izany no hoentina manatanteraka ny fifaninanan-kira (cover), hatomboka etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahatena sy kolontsaina Mahama­sina, ny 28 novambra izao. Hisandrahaka any amin’ireo faritany 6 teo aloha izany. Ireo sanganasan’i Fano­vona Jean Gabin no hohiraina. Hofara­nana amin’ny fametrahana tsangambato sy tranom-bakoka hitondra ny anaran’i Fa­novona Jean Gabin any Ambo­vombe, ny 19 sy ny 20 desambra ny hetsika ho fanomezam-boninahitra ity oloben’ny mozika avy any atsimo ity. Marihina fa hitondra ny anaran’i Fano­vona Jean Gabin ihany koa ny Tranoben’ny kolontsaina ao Ambovombe Androy.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: