Hotontosaina etsy Analakely, rahampitso, ny famaranana ny fifaninanana “Ankizy milalao”, andiany fahatelo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny lehiben’ny sekoly baolina kitra, Analakely Football Academy (AFA) sady mpikarakara, omaly, hifandona eo amin’ny lalao famaranan’ny sokajy zandriny, U8, ny Ajesaia sy ny Varatra FC. Hatao amin’io fotoana io koa ny manasa-dalan’ny U6, ka ny Soccer Academy hifandona amin’ny 67 City, ary ny EFMA hihaona amin’ny Akademy Mamiratra. Izay tafavoaka eo no hiatrika ny dingana farany.
Ankoatra izany, nanao pao-droa ny Elgeco Plus, azon’izy ireo ny amboaran’ny U10 sy ny U12. Nalain’ny Ajesaia kosa ny teo amin’ny U14. Azo lazaina ho nahomby ihany ity hetsika ity. Nahatratra 128 teo ireo klioba sy sekoly nandray anjara tamin’izany. Tsiahivina fa ity fifanintsanana ity izay efa nanomboka ny 3 sy ny 4 oktobra lasa teo, tetsy Betongolo. Ampahafantarina ihany fa ny 7 novambra ho avy izao, etsy amin’ny Havoria Anosy, hikarakara seho hiarahana amin’ ny tarika Reko ny AFA.
Fitia Randria





