Notanterahina omaly ny famerenana ilay tsangambato teo aloha, tao Antsohihy, manoloana ilay sary vaovao niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera. Nanao fanambarana tsy fankasitrahana rahateo ny fianakavian’ny filoha Tsiranana Philibert ka izao niverina tamin’ny fanapahan-kevitra izao ireo tomponandraikitra any an-toerana.
Tokony himasoana ny famahana ny olana sedrain’ny vahoaka, araka ny nambaran’ny tale kabinetran’ny minisiteran’ny Mponina, Andriantiana Miarimbita, omaly. Nanteriny fa tsy tokony ho voasarika amin’ ny resaka dinika politika ny rehetra. « Tokony hijery ny laharam-pahamehan’ny vahoaka ny mpanao politika fa tsy resaka tombontsoa manokana », hoy izy.
Mitohy hatrany ny fameloma-maso ny antoko Tim, eny ifotony. Anisan’ny nandray ny toromarika sy ny fanentanana hananganana ny FokTim ny any Amparafaravola. Eo koa ny fanentanana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Anisan’ny nanao izany koa ny any amin’ny distrikan’i Faratsiho, notarihin’ny birao politika.
Aorian’ny fikaonandoha vao afaka mitsara ity fitondrana ity isika, na nahavita ny asa nankinina aminy na tsia, araka ny nambaran’i Maka Alponse, omaly. Nanteriny fa iraka ho an’izao fanavaozana izao ny hanomana fifidianana sy ny hiverenana amin’ny Lalàmpanorenana. « Maika sy tsy azo avela koa anefa ny sosialim-bahoaka », hoy izy.





