Fifandraisan-davitra : Ny 15% ny Malagasy ihany no mampiasa internet

Namoaka tatitra ny Vovonana GSMA, ivondronan’ireo mpandraharaha amin’ny finday efatra eto Madagasikara. Anisan’ny navoitrany fa ilaina ny fanovana ny paikadin’ny fanjakana mba hampiroboroboana ny toekarena niome­rika eto Madagasikara.

Notaterin’ny GSMA ireo fivoarana nampiroboroboana ny fotodrafitrasa amin’ny fifandraisan-davitra. Fa eo koa ny sakana mahatonga ny tolotra niomerika mbola voafetra ho an’ny am­pahana Malagasy maro. Misi­traka ny tolotra 3G na 4G ny 81% ny Malagasy, saingy ny 15% ihany no mampiasa internet. Araka ny tatitra, midika io elanelana 66 isa io fa mbola maro ny ezaka tokony hatao mba hisitrahan’ny mponina ny niomerika. Raha hatao io fa­novana io, tokony hisy mpan­jifa vaovao miisa 1,12 tapitrisa hatramin’ny 2031, mahatratra 3,3% amin’ny harinkarena faobe PIB.
Ho an’ny Yas Madagasi­kara, tanjony ny hampitomboana ny fampitaovana sy hanapariahana ny tambajotra. Efa nahatratra 1 miliara dolara ny fampiasam-bola nataony nanomboka ny taona 2004. Maherin’ny 19 tapitrisa ny mpanjifany, ka mampiasa 4G ny 89% amin’ireo, raha ny antotanisa ny aogositra 2026. Efa nampidinina ny saran’ny tolotra, nanomboka ny desambra 2025, ary misy aza ha­trany amin’ny 78% ny tolotra sasany. Nilaza ny tale jene­ralin’­ny Yas Madaga­sikara, Benoit Janin, fa « fanamby apetraka ny hanamorana ny fahazoana finday smartphones, ny hampiroboroboana ny niomerika. Mazava ny tatitry ny GSMA, fa fanoitra lehibe mitondra fampandrosoana ny niomerika ».
Tokony hojerena ny hetra
Anisan’ny sakana ihany koa ny hetra, mahatratra 47% (20% haba fanafarana entana, 20% TVA, 6% « droit d’auteur » ary 1% tamberim-bidy). Sosokevitra naroson’ny GS­MA ny hijeren’ny fanjakana ny hetra, toy ny droit d’accises 8% izay tokony ho an’ny vokatra haitraitra (luxe) na misy fiantraikany amin’ny fahasa­lamana, toy ny zava-pisotro misy alikaola sy ny sigara. Efa tsy izany intsony anefa ny finday, satria efa zavatra ampiasaina andavanandro sy ilaina amin’ny sehatra maro, mitondra fampandrosoana. Vahao­lana efa ataon’ny Yas ny tolotra Mitsinjo, andoavana tsikelikely ny vidin’ny finday, sy ny fandraisany anjara amin’ny fandaharanasa Decim.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: