Nankalazaina omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny sakafo (JMA). Nisy ny hetsika natao tetsy amin’ny tokotanin’ ny Kianja Barea Mahamasina, nanomboka ny 15 oktobra. Lohahevitra noraisina ny hoe « Manavao ny fomba famokarana anio, ho fiantohana ny sakafo rahampitso ».
Nambaran’ny minisitry ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo (MiASA), Ramino Gaetan, fa efa mitombo tsikelikely ny voka-bary eto amintsika sy ny velaran-tany nohajariana. Nasongadiny fa amin’ny taona 2028 no ho tratra ny fahaleovantena ara-bary, raha saika ny taona 2027 ny vinavina tany am-boalohany. Nohamafisiny fa tsy nofinofy ny fahaleovantena ara-tsakafo fa tsy maintsy ho tanterahina. Koa, entanina ny fiaraha-miasa sy ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Zava-dehibe ihany koa ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo.
Raha ny antontanisa, nahatratra 5,12 tapitrisa taonina ny vary vokatra ny taona 2023, raha 4,16 tapitrisa taonina izany, ny taona 2019. Izany hoe, nisy fitomboana 23%. Ankoatra ny famelabelaran-kevitra, nisy koa ny diabe iraisana nandritra ity fankalazana ity, ho fiaraha-mientan’ny mpiantsehatra ara-tsakafo rehetra, indrindra ny vehivavy tantsaha.
Njaka A.





