Mirefy 1,50 ha ny farihin’i Behoririka izay diovina amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny talen’ny Fotodrafitrasa eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Faly Ramanantsoa, fa mbola mitohy ny asa ary tsy mbola voafaritra ny hahavitany, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. “Mahatratra 15 000 m3 na 20 000 m3 ny hadirin’ireo angon-tany tsy maintsy halana ao anatin’ity farihy ity”, hoy izy. Tao anatin’ ny roa herinandro niasana, efa 6 000 m3 ireo angon-tany nalana tao amin’io farihy io.
Asa miandry ny famerenana amin’ny laoniny ny asan’ny farihin’i Behoririka, toy ny famerenana amin’ny laoniny ny lalan-drano rehetra mankao. Ao anatin’izay koa ny fanesorana ny angon-tany sy tany manototra ny farihy. “Ny tanànan’Antananarivo sy ny vahoakan’Antananarivo no hojerentsika”, hoy ihany izy. Tanjona ny fiarovana ny tanànan’Antananarivo amin’ ny tondradrano sy mety ho fiakaran’ny rano. Manana asa mitahiry ny rano maloto sy ranonorana amin’ireo tanàna ambony manodidina, anisan’izany ny avy any Antanimena, Behoririka, ankadifotsy, soarano, ny farihin’i Behoririka. Marihina fa iarahan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miasa amin’ny Apipa sy ny SMA ny asa rehetra .
Mino





