Fivorian’ny Antenimiera: Misy miketrika handrava ny birao maharitra

Hiatrika fivoriana ara-potoana faharoa ny eo anivon’ny Antenimierampirenena, manomboka anio. Maromaro ireo hodinihina mandritra izany, ankoatra ny fiovana loko eo amin’ireo depiote sasany.

Anisan’ny tena ifantohan’ny fivoriana ara-potoana faharoa tahaka izao ny fandinihana ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana taona 2027. Hanaovana tatitra eny amin’ny Antenimiera koa ny fanadihadiana parlemantera. Anisan’ iza­ny ny olan’ny Jirama. Ma­nampy izany ireo volavolan-dalàna tsy mbola nandalo fankatoavana tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo.
Ao anatin’izany koa anefa no nanambaran’ny loharanom-baovao iray fa miely tokoa ny feo amin’ny hanonganana ny birao mahari­tra. Tsy nandiso nefa koa tsy nanamarina izany ireo nantsoina. « Aleo aloha hivory izahay. Ho hita eo ny momba izany », hoy izy ireo.
Tsiahivina fa efa niova tanteraka taorian’ny nijoroan’ny VFM manerana ny Nosy ny eo anivon’ny Antenimierampire­nena. Miisa 80 eo ireo depiote Irmar teo aloha ary 50 mahery ny tsy miankina sy ny mahaleo tena. Miisa 24 teo kosa ny avy amin’ny Firaisankina. Niofo ho VFM avokoa anefa ny Irmar sy ireo mahaleo tena na tsy miankina ireo amin’izao fotoana izao ary manohana ny fitondrana Fanavaozana.

Fanovana governemanta…

Miova manaraka izany ny fifandanjan-kery eny Tsimba­zaza ka mety ho tonga amin’ny fiovan’ny birao maharitra ny raharaha. Mety hisy ifandraisany amin’ny hanovana ampahany na manontolo ny governemanta, tsy ho ela, izany.
Anisan’ny foto-kevitra ijoroan’ny VFM ny efa nandravan-dRajoelina ny Anteni­miera ka adikan’izy ireo fa tsy «Tanalahy» na «Namadika palitao» velively izy ireo. Tao­rian’izany vao niroso amin’ny fampiatoana ny filoha teo aloha izy ireo ka miisa 131 ireo nandatsa-bato ka 130 ireo nanongana azy, tamin’ny herintaona.
Nohitsin’ny filoha nasionalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, anefa ireo depiote nivadika ireo ary ambarany fa fanetriben’ny firenena. «Tsy menatra noho ny tombontsoa ma­noka­na… Mendrika hosaziana ka tokony hoesorina satria mandika Lalàmpanorenana», hoy izy.
Hitodika eny Tsimbazaza indray izany ny mason’ny mpanara-baovao ato ho ato.

Synèse R.

Partager sur: