Antoko Malagasy Miara-Miainga : « Tsy tokony hisongona ny fikaonandoha ny Ceni »

Tsipahin’ny MMM ny hitarihan’ny Ceni fivoriana momba ny lalam-pifidianana fototra sy lalàna mifehy ny rafitra mikarakara izany, fa indrindra ireo lalam-pifidianana fehizoro mametraka ireo Andrimpanja­kana, aorian’ny Lalàmpanore­nan’ny Repoblika fahadimy. Nivoitra izany tamin’ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga tany amin’ny faritra Amoron’i Mania, Ambositra, ny asabotsy teo. « Mila diovina aloha ny tokotanim-pifidianana araka ny efa notakina tamin’ny taona 2023 », hoy ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo. Tafiditra ao anatin’izany ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin’ny fifidianana ary ny tokony hampitoviana zo ny mpilatsaka hofidina. Eo koa ny tsy fanekena ny kandidà tsy miankina fa miainga avy amin’ny antoko politika ihany ny filatsahan-kofidina.
Nanterin’ny MMM fa ny fikaonandoham-pirenena irery ihany no mamaritra ny fifidianana hatao. « Tsy anjarantsika sy ireo mivorivory any izany. Mitondra sosokevitra ny anjarantsika ka tsy tokony hisongona ny fikaonandoham-pirenena ny Ceni na ireo fivorivoriana etsy sy eroa mikasa hanapaka ny momba ny famaritana ny fifidianana », hoy ihany izy.
Voaresaka ny ady amin’ny kolikoly, ny fitantanana mangaraharaha, ny olan’ny jiro sy ny rano, ny fanabezana, ny fananantany sy ny fandriampahalemana ary koa ny fa­namboaran-dalana. Mbola nanamafy ny MMM fa ilaina hapetraka ny Faritra mahazaka tena. « Foanana ny faritany fa mandany andro sy vola… Ilaina ny fanovana ny toe-tsaina fa tsy hahavita inona isika amin’ny sehatra rehetra raha tsy miova izany », hoy ireo mpikambana MMM, nandray fitenenana.

Synèse R.

Partager sur: