BGFI Bank : Mobile Banking vaovao ny Gasy Money

Manatsotra ny fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday ny Mobile Banking. Tonga eo amin’ny tsena ny Gasy Money, ampiasain’ny BGFI Bank Madagasikara.

Miroborobo ny fampiasana ny finday hifanakalozam-bola. Tolotra vaovao omen’ny banky BGFI Madagasikara ny mpanjifa ny Gasy Money. Nambaran-dRtoa Anjaraniaina Noro­ja­ona, nisolo tena ny tale jeneralin’ny BGFI Madagasikara, fa atao zava-dehibe, satria manan-danja, ny fahafahan’ny rehetra misitraka ny fikirakirana ny tontolo ara-bola. Izany no antony nanolorana ny Gasy Money, fifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday, «Mobile Bankig». Tsotra, mora ampiasaina ary azo antoka.
Karazany 5 ny azo ampiasana ny Gasy Money. Eo ny fandrotsaham-bola ao anaty kaonty sy ny fisintonam-bola. Fahatelo, azo handefasana na handraisana vola avy amin’ny Gasy Money mankany amin’ny banky, na koa Gasy Money mankany amin’ny kaonty hafa. Fahefatra, azo ampiasaina hividianan-javatra na entana, na koa handoavana faktiora, toy ny Jirama, ohatra.
Ary tolotra fahadimy, izay tena mampiavaka ny Gasy Money amin’ireo Mobile Mo­ney hafa, ny fahafahana ma­maha­na vola ny karatra banky BGFI, ny «Karatro». Ahafa­ha­na manao ny fifanakalozam-bola avy ao amin’ny Gasy Money mankany amin’ny ka­ratra banky, ny « visa », azo isintonam-bola eny amin’ny Gab ny banky rehetra tsy ankanavaka.
Ahafahana misitraka ireo tolotra ireo ny fampiasana ny application finday, ny App Store sy ny Google Play.

Azo ampiasaina any ivelany
Samy nahatsapa ny tombontsoa azo amin’ny Gasy Money ireo efa mampiasa azy, toa an’i Ando Francis. Nam­barany fa anisan’ny mampiavaka ity tolotra ity ny fahafahana misintona vola any amin’ny Gab tsy ankanavaka, na hatrany ivelany aza, amin’ny alalan’ny fampiasana ny karatra banky « Karatro ». Nilaza kosa i Julia fa natao ho an’ny rehetra ny Gasy Money, na mpanjifa na tsia amin’ny banky BGFI Madagasikara. Tsiahivina fa nisy ny fanafanana ny fotoana, nataon’ny tarika Rossy tetsy Analakely, nampahafantarana ny Gasy Money, ny alahady teo.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: