Nanainga omaly vao maraimbe, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja billard. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany tanterahina ao Cape Town Afrika Atsimo, manomboka ny 23 oktobra ka hatramin’ny 1 novambra ho avy izao ny anton-dian’izy ireo. Miisa 27 mianadahy ireo hiaro ny voninahi-pirenena.
Hifanandrina amin’ny famaranana amin’ny «Top 8», taranja rugby, ny Cosfa sy ny Uscar. Ny alahady lasa teo, teny Andohatapenaka, lavon’ny Cosfa tamin’ny isa 91 no ho 29 ny TFA ary resin’ny Uscar tamin’ny mokafohy, 45 no ho 44, ny TFMA. Hanala vela amin’ny Cosfa izany ny Uscar, amin’ity.
Nifarana ny alahady lasa teo, tao amin’ny torapasik’i Itsandra, Comores, ny andiany faharoa tamin’ny Beach-volley, ho an’ny faritra faha-7. Nanao pao-droa i Maurice, tamin’ity. Fahefatra ny ekipam-pirenena malagasy teo amin’ny sokajy vehivavy.





