Lalao Olympika ho an’ny tanora: Nahazo traikefa ny Makis Ladies

Nifarana afakomaly, tany Tunisie, ny fiofanana rugby ho an’olona fito, “Stade de la solidarité U-18”, izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Na­haritra herinandro mahery io fiofanana io. Nahazo ny laharana faharoa tamin’ny “Soli­darity U18 Women’s Rugby Sevens” ny ekipam-pirenena Makis Ladies. Nahazoan’ny ekipa nasionaly traikefa sy fahaizana izany.
Tsiahivina fa natao hanomanana sahady ny lalao Olympika ho an’ny Tanora (JOJ 2026) hotontosaina atsy Dakar, ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra 2026 ny hetsika.
Ho an’ny taranja rugby ho an’olona fito, sokajy vehivavy, hanomboka ny 2-3 novambra ho avy izao ny fifanintsanana. Tafiditra ao anatin’ny vondrona “B” ny Makis Ladies. Ani­san’ireo ekipa sangany, ao anatin’izany, i Espagne, Eta­zonia, ary i Tchéquie.
Raha tsy misy ny fiovana, hitohy avy hatrany ny fanomanan’ireo Makis zandriny, etsy Andohatapenaka.

Fitia Randria

Partager sur: