TSELATRA

Fiara tsy mataho-dalana iray tafavoaka ny lalana teo akaikin’ny Rond-point Don Bosco Ivato, afakomaly alina. Nisy vehivavy niseho tampoka nipetraka teo amin’ny seza alohan’ny fiara. Taitra ny mpamily nahita izany ka niteraka ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany.
Naneho ny alahelony, manoloana ny fitarazo­han’­ny fanadihadiana mahakasika ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Andranotapahina, ny zoma lasa teo, ny fianakavian’izy efa-mianaka niara-maty, omaly. Nam­baran’izy ireo, tamin’izany, fa nifanilahan’ny zandary ao Talamaty sy Mandrosoa ny fandraisana ny fanadihadiana.
Olona telo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny sampam-pikarohana heloka bevava ao Antsi­ranana ny 19 oktobra 2026, tao amin’ny fokontany Mora­feno distrik’Antsiranana, afakomaly. Voarohirohy noho ny resaka halatra sy fanodinkodinana solika avo lenta izay voatokana hamatsiana herinaratra ny tanànan’­Antsi­ranana izy ireo. 70 jerikanina mavo, 2O l avy, no hita teny amin’izy ireo nandritra ny fisavana.
Zazavavy miisa valo sy zazalahy roa, manodidina ny 14 hatramin’ny 20 taona, tratra nifoka zava-mahadomelina tao Ambatondrazaka, omaly. Raha ny fanazavana voaray, mpianatra avokoa izy ireo, saingy miafina mifoka rongony. Nosamborin’ny mpitandro filaminana avokoa izy rehetra ireo.

Partager sur: