Namaly ny lahateny tany Fianarantsoa ny faran’ny herinandro teo ny kandidà ho filoham-pirenena sady filoha nasionalin’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohitsiny fa niteraka alahelo sy fahasorenana ho an’ny sasany ny tranga niseho tany an-toerana.
“Nifanarahana tamin’ny voalohany fa tsy hasiana fanambarana politika amin’iny hetsika iny. Samy manana ny antokony ny zanak’i Fianarantsoa; samy manana ny firehan-keviny, ny fironany. Koa aza asiana fanambarana politika”, hoy i Paraina Auguste. Anisan’ny anton’izany ny lahatenin’ny filoha nasionalin’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi), Razanamahasoa Christine, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2023, tao Ankofafa.
Samy nahaheno ny rehetra fa nanao fanambarana politika ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny Fizafafi hoe hifidy ny filohan’ny Repoblika fa homena an’i Fianarantsoa ny toeran’ny Praiminisitra, raha bangoin tokana izay nolazainy. Tsy tokony hanaovana an’izany i Fianarantsoa sy ny Fizafafi. Tsy azy manokana ny fikambanana. Tonga ireo mpikambana, fa nomena toky hoe tsy hisy fanambarana politika ny fifampiarahabana.
Ho rava ny fikambanana
“Ho rava io fikambanana io raha izao no mitohy”, hoy ity ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ity. Maro no tezitra sy nimenomenona ary gaga tamin’ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena. Teo avokoa ireo ampanjaka rehetra avy any atsimo atsinanana mba hanana firaisankina. Nefa zavatra tsy mampiray loha no nentina. Iza indray no mbola hofitahina amin’izany?
R. Nd.