Depiote Ratsimbazafy Alain : “Mahantra i Madagasikara”

“Aty amin’ny firenena fa­ran’ny mahantra i Madagasi­kara noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Maha­tonga anay miteny, fa ny fitondrana izao no tena mahakizo fara ny vahoaka”, hoy ny
d­epiote Tim, Ratsimbazafy Alain Jean.
Tsy ho an’Antananarivo Atsimondrano ihany fa ho an’i Madagasikara. Eo ny fahapotehan’ny toe-tsaina; very ny soatoavina. Eo amin’ny lafiny fanabeazana indrindra izany, iaraha-mahalala fa mikororosy fahana tanteraka sy potika ny fihariam-bahoaka.
Amin’izao fotoana izao, fantatra ireo fitakiana maro ataon’ny antoko. Anisan’izany ny hanaovana fikaonandoham-pirenena alohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana. Maro ny mila alamina aloha. Anisany ny lalàm-pifidianana. Eo koa ny ahiahy amin’ny mpikamban’ny HCC sy ny Ceni. Amin’ ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra no hahazoana maka fanapahan-kevitra iombonana. Mba hisian’ny filaminana eto amin’ny tany sy ny fanjakana izany.
“Hatramin’izao, ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano: 62% eo ho eo ny taham-pisoratana anarana ao anatin’ny lisitry ny mpifidy. Salanisa azo tamin’ny faran’ny volana janoary izany”, hoy izy. 290 000 eo ho eo no voasoratra anarana, raha 480 000 any ho any no isan’ny olom-pirenena eny an-toerana. Ma­hatonga ny antoko tsy mitsaha-manentana ny olom-pirenena hanatona biraom-pokontany sy hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: