Morondava : Nametrahana takelaka mamoaka odimoka

Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo ny fanombohana ny hetsika sosialy fametrahana maimaimpoana ny takelaka manaparitaka odimoka (diffuseur spatial – DS). Amin’izao fotoam-panavaozana izao, mijery ny paikady rehetra ny fitondram-panjakana hanamafisana sy hanafainganana ny fanafoanana ny tazomoka eto Madagasikara.
Fitaovana vaovao entina manampy sy manamafy ireo paikady fisorohana efa natao izao hetsika maharitra 12 volana izao. Ny marika “Gaurdian” vokarin’ny orinasa SC Johnson no hozaraina mandritra izany. Tokantrano maro ao amin’ny kaominina dimy mandrafitra ny distrikan’i Morondava hisitraka ny takelaka. Ahantona amin’ny rindrina ao an-trano fonenana ny “diffuseur spatial” izay mamoaka tsikelikely ireo akora mamono ny moka entin’ny rivotra. Tsy misy voka-dratsy amin’ny fahalasalamana ny fampiasana azy, raha ny fanazavana azo. Mpiara-miombon’antoka nanohana izao hetsika izao ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny tetikasa PMI Evolve.

Vonjy

Partager sur: