Varavarana misokatra eny Avaradrano : Navoitra ny drafitra momba ny fanajariana ny tany

« Mitombo haingana be ny mponina an-tanàn-dehibe ka tsy maharaka ny filana tany sy ny fanorenana”, hoy Rama­roson Miary, talen’ny Toeram-ponenana sy ny fampanajana ny lalànan’ny fanorenana, nandritra ny varavarana miso­katra mahakasika ny tontolon’ ny fanajariana ny tany, tetsy Alasora, omaly. Nambarany fa « lasa maro ny olona mano­rina trano eny amin’ny tany izay hitany eny nefa isika dia manana drafitra fanajariana tokony hohajaina. Ezahina avoitra ireny drafitra sy lamina apetraka amin’ny fahazahoan-dalana hanorina sy hanototra tany mandritra ity hetsika ity », raha ny fanazavana. Tanjona ny hanentanana ny olona hi­ditra amin’ny sehatra ara-dalàna. “Zavatra tsapa sy hita ao anatin’ny soatoavina mala­gasy ny fanajariana ny tany. Afangaron’ny olona ny fananantany sy ny fanajariana ny tany”, hoy ny ben’ny Tanàna Alasora, Jimmy Randriantsoa. Nambarany fa lasa manao izay tiany hatao amin’ilay tany ny olona rehefa manana ny “certification de situation juridique”. Nohamafisiny fa misy ny lalàna sy fepetra napetraky ny fanjakana ahafahana ma­najary tany sy mandamina ny tanàna. 300 hatramin’ny 400 isan-taona, eo ny taratasy fahazoana manorina omen’ny kaominina, raha ny tatitra. Betsaka ny fanorenana tsy ara-dalàna hita eny rehetra eny. Mangataka amin’ny fitondram-panjakana ny tenany mba hampahafantatra ny fa­najariana ny tany sy ny fepetra ara-panajariana. Haha­fahan’ny olona mahalala ny zavatra tokony ho ataony eo amin’ny taniny. Marihina fa tsy afaka mampiditra jiro, fibre optique, ao amin’ny tranony ny olona tsy nanana taratasy fahazahoan-dalana hanorina.

Mino

Partager sur: