Mahavelombola ary tena nampientanentana ny Malagasy maro ireny fanambaran’ny filohan’ny Fanavaozana, afakomaly, teny Ivato ireny. Nitsiry indray ilay fanantenanakely efa nitsilopilopy tamin’ilay fomba amam-panao ny teo ihany no niverina. Na ny be vava sy mpanakiana mafanavay aza, niova fomba fiteny nanomboka omaly alina. Iza tokoa no tsy ho vonona vao hiady amin’ny kolikoly ary hanafay izay tompon’antoka?
Andrasana ny fanatanterahana izay nolazaina, nanaovana serasera nanakoako be ireny. Raha tena mahasaky ilay mpitondra dia ny fanadiovana ny trondro vaventy, eo akaikiny eo, aloha no ohatra tsara indrindra. Raha ny hodidina iainana ankehitriny, tena vao mahavita dingana iray ny mpitondra dia hahazo toky amin’ny vahoaka. Hihazakazaka ny fitia mifamaly. Hifanome tanana maharitra sy mahomby ny entina sy ny mpitondra.
Raha ho an’i Madagasikara manokana, izao vao tena tokony hahay haka tahaka an’i Rwanda na ireo firenena afrikanina efa mifoha. Tsy atao revirevin-gadra tahaka ny an’ny sasany, fa tanterahina tokoa. Tsy misy tsy mahalala fa ny famongorana ny kolikoly sy ny fanafoanana ny tsimatimanota no mampandroso ny firenena tahaka ireny. Tsy misy indrafo sy ankitsitsitsitsy fa tsy izay be vava mpanao “santazy” na fandrahonana dia avelavela fotsiny amin’izao.
Nipetraka tokoa ny fanontanian-dRamalagasy, omaly. Sahy ilay filoha, kanefa hatraiza ny fahafahany manenjika sy fanatanterahana ilay nolazaina? Tambajotra matanjaka ny “mafia”, fangolika ho an’ny fiarahamonina io. Mila mihenjana anaty fahendrena lalina, miaraka amin’ny fiarovana mafimafy satria ho maro no very fihinanana. Ireo tsy mba tia taninjanaka sy mpiray tanindrazana. Tsy ampy ny angady sy harona fa mila ny vahoaka ao an-damosina.
r.r





