Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana, Rabetahiana Pascal Pierrot fa efa vita avokoa izao ny fakan-kevitra natao teny anivon’ny faritra 23, momba ny fitsinjaram-pahefana miabo. “Nalaina ny hevitry ny vahoaka ka nanaovana ny atrikasa. Homena fahefana feno ny eny ifotony manomboka izao ho amin’ny politikan’ny fampandrosoana”, hoy izy. Nanteriny fa novolavolaina ho tsy maintsy mifanaraka amin’ny drafitra fampandrosoana ary miainga amin’ny filàna eny ifotony ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Omena azy ireo koa ny fahefana tandrify azy ireo ahafahan’ny eny anivon’ny faritra manatanteraka ny politikam-panjakana. Nohitsiny fa niova mihitsy, araka ny vinan’ny fitondram-panjakana ity fitsinjaram-pahefana ity fa tsy vitan’ny novana fotsiny ny voambolana, teo aloha, fitsinjaram-pahefana tena izy. Notsiahiviny fa nomena fahefana sy nampihatra izany fotsiny ihany raha ilay foto-kevitra teo aloha. “Voafetra ihany anefa ny fampandrosoana vita amin’izany. Tsy nanaovana fakan-kevitra koa fa niainga avy aty amin’ny fanjakana foibe ny toromarika. Tsy avy any ambony intsony izany izao fa avy eny ifotony no miakatra”, hoy ihany izy.
Synèse R.