Nandalo teto Madagasikara i Guylaine Clerv, talen’ny Virgin Music Africa. Nampahafantatra ny fiaraha-miasa eo amin’ity orinasa tantanany sy ny Universal Music Africa ary ny Renala Music izy, ny zoma teo. Fotoana izay nitafana fohy tamin’ity manam-pahaizana momba ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena ity. Dinidinika.
Gazety Taratra(*) : Matoa tonga eto ianao, ary tonga amin’izao fifanaraham-piaraha-miasa izao, misy ny faharesen-dahatra avy aminareo. Raha ho anao manokana, hanao ahoana ny hoavin’ny mozika malagasy?
Guylène Clerv (-) : Marina tokoa… Matoa mitodika amin’i Madagasikara ny Virgin Music Africa sy ny Universal Music Africa, misy antony ao. Mpanakanto avy amina firenena maro aty Afrika sy any amin’ireo firenen-kafa no efa miara-miasa aminay. Mihaino mozika marobe izahay ary mahafantampantatra ny filan’ny mpanjifa ihany koa. Ho ahy manokana, tena mandona ahy ny mozika malagasy. Efa maromaro amin’ireo mpanakanto malagasy ireo no henoko ny lazany any ivelany. Misy karazan-kira izay tsy mbola fantatro ny tompony, fa henoko tanatin’ny fiara nitondra ahy, ary tonga dia nambabo ahy daholo izay mandeha rehetra. Mety noho ilay fifanakaikezana kokoa eo amintsika no antony, fa ny azoko lazaina aloha dia efa manana ny toerany ny mozika malagasy, kanefa mbola resy lahatra aho fa hisongadina kokoa izany ato ho ato.
* Efa noresahanareo teo ny tombontsoa sy ny endrikendriky ny fidiram-bolan’ ny mpanakanto, rehefa hampiasa ireo “application de streaming” ireo. Vetivety ihany ve ny fotoana hahatsapan’izy ireo izay tombontsoany izay, mihoatra ny amin’izao?
– Manomboka amin’ny faharesen-dahatr’ireo mpanakanto ny zava-drehetra, ary anisan’ny asany voalohany izay. Io no lalana ahazoan’ireo mpanakanto maneran-tany vola amin’izao. Mba hahamora kokoa sy hampalaky ny fidiram-bolan’ny mpanakanto aty Afrika no antony namoronana ny “Digster”. “Application de streaming” izay natao hoan’ireo mpanakanto afrikanina, ary nalahatra isaky ny firenena ny “catalogue” hisafidian’ny mpanjifa mozika. Efa mifanakaiky ny tolotra sy ny tinady amin’izay. Mbola nanokatra ny “Moozik” koa anefa ny Renala Music, izay tena hiarahabako azy ireo fa dingana lehibe no vitan’ny ekipa. Arakaraka ny fahazotoan’ireo mpanakanto manao Sonia ny fifanarahana ny mahahaingana ny tamberim-bola ho azy ireo. Toa ny zava-drehetra anefa, rehefa vao manomboka dia mety tsy mbola tena tsapa loatra, fa rehefa mandeha ny fotoana, minoa ahy fa hahatsapa ny fihatsaran’ny fidiram-bolany ireo mpanakanto. Hamafisiko eto ny efa nolazain’ny namako teo, miankina betsaka ihany koa amin’ny tolotra “internet” misy amin’ ny firenena io. Raha tsara izany dia mihatsara sy mampazoto ny mpanjifa koa ny mampiasa ny “application”.
* Nisy fanambarana nataonao somary nanaitra teo milaza hoe mandainga izay afaka milaza ny tena vola hiditra marina amin’ny mpanakanto. Ahoana tokoa moa raha izany no anarahan’izy ireo ny fidiram-bolany?
– Araka ny nazavainay teo, hanokafana kaonty hanarahany an’izay ireo mpanakanto. Fa ny tiako tsindriana dia ilay hoe mampitombo an’ io vola miditra amin’ny mpanakanto io no tena tanjon’ny rehetra. Misy antanan-tohatra maromaro handehanan’izay vola izay, kanefa arakaraka ny mahavitsy ny antanan-tohatra no mahabetsaka ny tonga any amin’ny iantefany. Izay ny tombony amin’ireo “application” de streaming” mampifanakaiky kokoa ny mpanakanto sy ny mpanjifa maneran-tany, toa ny “Digster” sy ny “Moozik”. Tsy tokony hanana ahiahy ireo mpanakanto rehefa mizotra tsara io. Ho hitantsika eo anie ny tohiny e…
Dinika nangonin’
i Zo ny Aina