Basikety – “ROAD TO BAL”: Lavo am-boalohany ny COSPN

Somary ratsy ny vokatra azon’ny solontena malagasy, COSPN, amin’ity andro voalohan’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Elite 16” ity, izay tafiditra amin’ny ady tapakilan’ny Road To Bal. Resin’ny Urunani BBC Burundi, tamin’ny isa, 93 no ho 69, izy ireo, omaly, tany Ounganda.

“Vao manomboka dia resy …” ! Tsy nahita fahombiazana ny solontenan’i Madagasikara, COSPN, tamin’ny andro voalohany, dingan’ny fifaninanana afrikanina ho an’ny taranja basikety, “Road to BAL 2027”. Niondrika teo anatrehan’ny klioban’ny Urunani BBC avy atsy Burundi, 93 no ho 69 ry zareo, omaly, tao Kianja Hoima atsy Ounganda.   Raha hiverenana kely ny fifandonana, hita fa nanindry tanteraka ry zareo  borondey. Porofon’ izany, nitarihan’izy ireo ny isa , 26 no ho 8, nandritra ny ampa­­hefa-potoana voalohany. Mbola nitombo ihany ka, 56 noho 21 no nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny ampahefam-potoana fahatelo kosa, nahita isa 22 ny Malagasy ka nitombo ho 43 ny isa izy ireo,  raha toa ka mbola niampy 13 ny an-dry zareo borondey. Lasa, 69 no ho 43 ny isa teny amin’ny solaitrabe, mbola nitarika ihany ny Urunani. Tsy nijanona teo nefa ny fampisehoana ho an’ny ekipan’i Burundi, ka niafara tamin’ny 93 no ho 69, ny lalao, resy i Madagasikara. Raha ny fikarohana natao, ilay nizerianina, Ikenna Kenechuk­wu Okeke, nanatevina ny COSPN, nahatafiditra isa 20, sady betsaka indrindra ho an’ ny Malagasy, raha toa ka Rasolonandrianina  Hasina, ni­songadina tamin’ny “rebonds” sy ny fiarovana ary ny tolotra.
Lesoka
Mbola hita  lesoka lehibe ho an’ny ekipan’ny polisim-pirenena ny tifitra, ivelan’ny atsasa-pari-bolana, izay hazahoana  isa telo. Raha ny statistika, navoakan’ny Fiba, 7 tamin’ireo 33, natsipy ihany no tafiditra.   Tsy maintsy mitady fandresena, araka izany, ny COSPN,  amin’ireo lalao telo ambiny raha tian’izy ireo ny hahazo ny tapakila hiakarana amin’ny dingam-pifanintsanana manaraka “Elite 16”. Tsia­hivina fa  ny ekipa ny tompon-tanàna,  Namuwongo Blazers ogandey, no hifanandrina amin’ny ekipa malagasy, anio. Ampahafantarina ihany fa tanjona hapetrakin’ny COSPN, ny hiakarana ao amin’ny “Elite 16”.

F.R

Partager sur: