Disciples FC : Mitohy hatrany ny fahombiazany

Nahazo vokatra tsara indray ny solontena Analamanga, Disciples FC Espoir, nandritra ny andro faharoa fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, diviziona faharoa nasionaly, taranja baolina kitra. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 6 no ho 0, ny Tia Kitra, omaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass. Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanatombo tamin’ny fanafihana sy ny fitazomam-baolina ny Disciples Espoir. 32 minitra, fidirana voalohany, nahatafiditra baolina ny ekipa avy eto Analamanga, rehefa namono “Coup-franc” i Safi­dy, mpilalaon’ny Disciples FC. Tsy niova tamin’io 1 no ho 0 io ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tao anatin’ny fidirana faharoa, nampiseho ny heriny sy ny fahaizany mamono baolina ny mpilalao an’Analamanga. Porofon’izany, ny nahatafidiran’izy ireo baolina dimy, nataon’i Andy, ny minitra faha-68, i Kevin, ny faha-84 min sy ny faha-86 min, i Jasy, ny faha-85 min, ary i Tsitsi, ny faha-89 min. Nifarana tamin’io isa 6 no ho 0 io ny fifanandrinana, nandresy ny ekipan’ Analamanga, Disciples Espoir. Marihina fa ity no fandresena faharoa azon’ny ekipa avy eto Analamanga. Tsiahivina fa efa nandavo ny Voromaherin’ Alaotra, tamin’ny isa 3 no ho 0, ry zareo, tamin’ny andro voalohan’ity fifanintsanana ity. Ny zoma ho avy izao, etsy Ambohi­dratrimo, miandry ny Disciples indray ny AFCA.

Fitia Randria

Partager sur: