Nampahafantarin’ny Comité National de préparation de Miss Madagascar (CNMM), ny alatsinainy 27 febroary 2023, ny anaran’ny mpandray anjara rehetra amin’ny fifaninanana «Miss Madagascar 2023». Mahatratra 22 ny mpifaninana. Faritra 21 miaraka amin’ny diaspora no manana solontena. Ny faritra Sofia sy Analanjirofo kosa no tsy manana solontena amin’izay fifaninanana izay. Izay voahositra ho mpandresy eto no hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny “Miss Monde 2023”, handimby an-dRajoelina Antsaly.
Ela niandrasana ny rehetra fa hanomboka ihany ity fifaninanana, isan’ny lehibe amin’ny fifaninanana hatsarana bika sy tarehy, ity. Nanambaran’ny tompon’adraikitra fa tsy avy amin’izy ireo izany fahatarana izany fa noho ny fandaminana eran-tany, ary tsy i Madagasikara irery no miaina izany fa izay mandray anjara amin’ny “Miss Monde”. Azo lazaina ho efa manomboka eto ny fifaninanana ho an’ny mpandray anjara. “Tsy ny hatsaran-tarehy ihany no hifidianana sy hifaninanana fa eo ihany koa ny fahaizana sy fahalalana. Isan’ny hifaninanana ihany koa ny tetikasa ananan’ny mpandray anjara tsirairay. Efa nampahafantarina ny mpikarakara ihany koa ny vinan’ny “Miss World” ka antenaina ny efa nampiomanan’izy ireo ny solontenan’ny faritrany avy mahakasika izay.” Hoy Rakotoniaina Christelle, filohan’ny CNMM.
Tanjona ny hampiroborobo ny fahasamihafan’ny hatsaran’ny vehivavy Malagasy. Ho ambasadaoron’ny hatsaran-tarehy eto Madagasikara sy mandritra ny fifaninanana eran-tany ity mpanjakavavin’ny hatsaran-tarehy ity. Tovovavy teratany Malagasy, 18 hatramin’ny 25 taona no afaka mandray anjara amin’ny “Miss Madagascar”.
Rajoelina Antsaly no voahositra ho mpandresin’ny fifaninanana farany. Izy izay misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny fifaninanana “Miss Monde 2022” atao any Emirates Arabes Unies, ny volana Mey 2023.
Lin (Mpianatra asa)