Nandroba sy nandratra olona : Jiolahy telo maty voatifitra

Jiolahy miisa telo maty voatifitry ny polisim-pirenena tany Antarandolo, Fianarantsoa, ny alin’ny alarobia 21 oktobra 2026 teo. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, malaza ratsy amin’ny asa fanendahana any an-toerana ireo lavo ireo. Nisy trangana fanendahana miharo herisetra indroa miantaona tany an-toerana, tamin’io alina io. Voalaza fa nitondra basy ireo olon-dratsy nanendaka. Voaroba, tamin’izany, ny finday sy ny volan’ireo olona lasi­batra. Ankoatra izay, nisy tamin’ireo niharam-boina no noratrain’ireo mpanendaka. Niantso vonjy sy nanao fitarainana tamin’ny mpitandro filaminana ireo niharan’ny fanendahana. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny polisy avy ao Fiana­rantsoa taorian’izay. Tratra tao amin’ny toerana niereny ireo olon-dratsy. Nikasa hitifitra sy nanohitra Polisy ireo jio­lahy vantany vao nahatazana ny mpitandro filaminana. Voa­tery nitifitra ireto farany. Vokany, maty voatifitra nandritra ny fifandonana ny telo tamin’ireo olon-dratsy. Azo sambo-belona kosa ny telo hafa. Fantatra fa jiolahy raindahiny sy efa mpamerin-keloka ireo telo lahy lavo ireo. Nisy ny vao nahavita sazy iray volana tany am-ponja. Tafiditra amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy sy fametrahana fandriampahalemana maharitra izao hetsika izao.

Mino

Partager sur: