TSELATRA

Vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana teny Ampitatafika, afakomaly. Nahatrarana fonosana rongony am-polony teny aminy. Milanja 400 grama ny rongony izay nokasainy hamidy. Atao famotorana izy alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ ny fampanoavana.
Roa lahy mpisoloky karohin’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny kaomisaria foibe Atsimondrano Tanjombato, omaly. Nivadi-pitokisana sady nangalatra ny iray tamin’izy roa lahy ireo. Nandray anjara tamin’ny fisolokiana ny iray hafa.
Noraisin’ny mpitandro filaminana an-tanana ilay zaza menavava narian-dreniny tao Faratsiho, afakomaly. Olon-tsotra sendra nandalo no nahita io zaza io. Tsy fantatra ny nahavanon-doza nahavita nanary azy. Miroso amin’ny fanadihadiana ny polisy.
Nisavorovoro ny mponina tao Ihosy nanoloana ny fahitana gony nipetraka tamin’ny sisin-dalana, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Niditra an-tsehatra tamin’ny fisavana ilay gony ny mpitandro filaminana. Alika efa maty no hita tao anatin’ilay fonosana.

Partager sur: